<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Mombà anay, ry Jeso
 Tompo ô !
 Fa maizina ny alina atý ;
 Tsy misy vonjy raha tsy
 Aminao ;
 Mpamonjy tia ô !
 mombà anay.

[V2]
 Mandalo koa ny andronay etý
 Ka mihalo ny fifalianay ;
 Miovaova izao rehetra izao
 Ry tsy miova ô !
 mombà anay.

[V3]
 Aza mba mivahiny aminay,
 Aza mihevitra ny helokay ;
 Aoka ho be ny famindranao
 fo ;
 Ry Jeso Tompo ô !
 mombà anay.

[V4]
 Tsy mahaleo tena izahay,
 Fa mora resy, mora kivy koa ;
 Ry Jeso Tompo ! aoka
 honenanao
 Etý an-dasin'ny
 mpanomponao.

[V5]
 Ny teninao no fifalianay ;
 Ny masonao mitari-dalana ;
 Ary ny herinao no tanjakay ;
 Sakaiza tsara ô ! mombà anay.

[V6]
 Izay ombanao afa-tahotra,
 Tsy mety kivy na mamoy fo ;
 Tsy misy fahoriana izay
 Haninona ny fo arovanao.

[V7]
 Rehefa tonga ny fotoana
 Hitànay ilay ony maizina,
 Aoka ny tavanao hazava ao,
 Amin'izany re mombà anay.</lyrics>
<title>Momba anay, ry Jeso Tompo o FFPM473</title>
<hymn_number>473</hymn_number>
<author>W.H. Monk</author>
</song>